|
|
|
|

Entry1  Ny foko nanidina
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  3  Literature: poems
Author  4 Rabearivelo Jean-Joseph
Full text  5 
6  Ny foko nanidina ambony dia ambony,
7  ary saika hisetra izay faran'ny avo,
8  kanefa voadona, ka tsy afaka intsony-
9  naratra ny elany - ka indro izy lavo!

10  Naniry hihoatra anao, ry masoandro
11  mazava! Naniry tsy nijanona akory
12  na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro:
13  ny alina tamy ary koa sorisory!

14  Koa aizina anio re no sisa mamonto,
15  aizi-mitambatra sy mivangongo...
16  Rotsiako mangina ny foko efa donto,
17  ary safosafoiko ny masoko bongo!

18  A! toa efa hionona izany alahelo...
19  Sy hafeniko mba hijanona angaha?
20  O tsia! fa ny sentoko mamelovelo,
21  ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra!

Updated on 2025/11/17